Ity lahatsoratra eto ambany ity dia famintinana ny lahatsoratra hita tao amin’ny tranonkala taloha haisoratra.org ary nosoratan’i Solonavalona Andriamihaja tamin’ny taona 2004

Ordinatera, solosaina, saikintsaina, atidoha milina, …: iza amin’ireo ?

Misy zavatra na hevitra vaovao mbola tsy fantary ny tontolo malagasy kanefa miditra amin’ny fiainany ankehitriny noho ny fifaneraserany amin’ny tontolo ivelany. Ny ankamaroan’ireny zavatra na hevitra ireny dia avy amin’ny tontolon’ny siansa na teknolojia na varotra na hafa, manana anarana manokana avy amin’ny teny fiaviany, ohatra: automobile, téléphone, ordinateur, charme, ambition izay samy avy amin’ny teny frantsay na koa: computer, mobile, internet izay avy amin’ny teny anglisy. Anarana inona no tokony hilazantsika malagasy an’ireny zavatra na hevitra ireny ? Misy paika tokoa arahina amin’ny famoronana tenivao ka avy amin’ny ohatra iray no iaingantsika. Ny ohatra raisintsika eto dia zavatra iray tena fantatra sy fampiasa eran-tany, lazaina amin’ny teny frantsay “ordinateur” na ny teny anglisy “computer”.

1. Zava-misy, anarana mifaninana Maro tokoa ny anarana mifaninana ankehitriny ilazana io fitaovana io ary tsy mbola misy tena raikitra anefa amin’ny teny malagasy: ordinatera, solosaina, saikintsaina, atidoha milina, . . . Hojerentsika tsirairay manaraka eto ny fanohanan’ny ankolafin’olona miaro azy ireo.

2. Paika famoronana teny vaovao: “solosaina” Ny mpahay teny sasany no manolotra ny anarana hoe: “solosaina”, miainga avy amin’ny fandrafetana mitovy ireto teny maro ireto: solovolo, solonify, solokaratra, solomaso. Anarana vaovao tokoa no noforonina, mampiseho ny maha malagasy sy ny fisian’ny teny malagasy. Ireo fitaovana vaovao ireo dia misolo ary heverina hahavita ny asan’ny zavatra soloiny. Tsy marina mandrakariva anefa izany ho an’ireo fitaovana voalaza etsy ambony ireo fa marina indraindray ihany, marina ho an’ny sasany, diso ho an’ny hafa:

  • solovolo: marina io satria mahasolo ny volo niala na notakonana raha ny bika aman’endrika no vokatra takina amin’ilay solovolo ;
  • solonify: marina koa io eto satria manao ny asan’ilay nify niala io fitaovana napetaka io ;
  • solokaratra: marina koa io eto satria tena karatra vaovao mitovy amin’ilay taloha very, ny anarany fotsiny no lazaina hoe solony ;
  • solomaso: tsy marina io eto satria tsy misy maso niala ka nosoloina eto. Raha izany no izy dia ny maso tavoahangy no fitaovana marina, mahasolo fotsiny ny endrika saingy tsy mahita, tsy mahasolo ny voamaso niala. Ny solomaso eto dia fitaovana ivelany, manova ny asan’ny maso mbola samy tavela daholo, ahafahana mijery lavitra na akaiky ;
  • solosaina: tsy marina koa io eto satria tsy misy zavatra niala, tsy misy saina niala ka nosoloina fitaovana vaovao ; ny vontoatin’ny asan’ny saina dia ny famoronana, ilay fitaovana vaovao anefa tsy afaka mamorona na ampidirana “lozisiela” aza ao anatiny, ny hany tombony dia ny fanaovany haingana kokoa ny asa nampanaovina azy. Tsy mety izany ny voanteny noforonina ;
  • saikintsaina: mitovy amin’ny fanazavana etsy ambony, tsy afaka misaina akory ny fitaovana, na antsoina hoe “saikintsaina” na “lefitry ny saina”, anarana fiantsoana fotsiny izany fa mijanona ho fitaovana foana izy ;
  • atidoha milina: marina ny fanoharana saingy lava loatra ny fampiasana voanteny roa ka tsy mety. Ny paika famoronana tenivao nampiharina teto dia ny famoronana amin’ny teny malagasy voanteny vaovao milaza ny asa takina amin’ilay zavatra vaovao avy amin’ny teny vahiny.

3. Paika fanamboarana – fanagasiana ilay teny vahiny: “ordinatera”

Matetika ny teny vahiny resahina eto ho an’ny tontolo malagasy dia ny teny anglisy, teny fifandraisana laharana voalohany eran-tany eo amin’ny sehatry ny siansa, teknolojia na varotra ary efa fantatry ny malagasy nanomboka 200 taona lasa izay ; na koa ny teny frantsay izay fantatsik koa nanomboka 100 taona lsa izay.

Fantatra tsara ilay voanteny vahiny:

  • fantatra ny abidia ampiasainy sy ny fomba fanoratra azy ;
  • fantatra koa ny fomba fanonon’ny tompon’ilay teny azy. Ny atao amin’ity paika ity dia ny fanamboarana ny fomba fanoratra sy ny fomba fanonona ilay voanteny vahiny: tsy misy fanamboarana na misy fanamboarana kelikely:
    1. Raha tsy misy fanamboarana mihitsy, tsy misy fanovana na ny fomba fanoratra na ny fomba fanonona dia findramana mivantana no atao. Ohatra: eng internet: mlg internetVita izany raha toa:
      • mitovy ny abidia roa tonta: ny abidia anglisy na frantsay dia abidia mampiasa tarehintsoratra latinna miisa 26. Raha ampiana ireto tarehintsoratra 5 ireto ny abidia malagasy ankehitriny: c, q, u, w, x dia azo tanterahina ny findramana mivantana tsy asiam-panovana ;
      • miezaka ny malagasy ny hanonona amin’ny fomba farany izay akaiky indrindra ilay voanteny amin’ny fomba fanonon’ny tompon’ilay teny azy. Azo atao koa izany.
    2. Raha asiana fanamboarana kely, fanovana kely tsy mihataka lavitra loatra ilay voanteny vahiny mba tsy hahavery ny soratra sy ny feo ka ho mora amin’ny malagasy mandrakariva ny hamantatra ilay voanteny loharano na eo amin’ny soratra na eo amin’ny feo. Raha ny ohatra noraisintsika no ampiharana an’izany dia izao no azo: fr. ordinateur: mlg. ordinatera eng computer: mlg kompiotera / kompiutera
      • ny soratra eto, ho an’ny roa tonta, avy amin’ny teny frantsay na teny anglisy dia tsy mifanalavitra loatra amin’ilay teny vahiny loharano. Azo tanterahina koa izany raha asiana fanamboarana ny abidia malagasy ankehitriny, ampiana ny litera 5 efa voalaza: c, q, u, w, x.
      • ny feo indray dia tsy lavitra loatra ny feo amin’ny voanteny vahiny loharano saingy nogasiana kely amin’ny gadona malagasy. Eto dia tsy anjarantsika malagasy no manontany hoe inona ny dikan’io anarana io amin’ilay teny vahiny loharano. Rehefa ekena io ka fantatra mazava ilay fitaovana na hevitra dia vita ny raharaha. Na izany aza, ho an’ny teny anglisy dia “computer” no anarana ifaneken’ny mpiteny anglisy rehetra iantsoana sy anondroana io fitaovana io. Ho an’ny teny frantsay indray dia voanteny vaovao noforonina tamin’ny 1955 io tao amin’ny Faculté des lettres frantsay ao amin’ny Oniversiten’i Paris. Izany dia vokatry ny tolokevitr’ilay mpampianatra frantsay, Pr J. Perret, noho ny fangatahan’ny kompania amerikana malaza IBM (International Business Machine), mpamorona indrindra ireny fitaovana ireny ary mitady ny handikana amin’ny teny frantsay ilay anarana anglisy “computer” amin’ny anarana hafa noho ny teny “calculateur”. Ny tolokevitr’i Pr J. Perret dia ny teny “ordinateur”, fitaovana “mpandahatra, mpandamina”, sampan-teny avy amin’ny fototeny “ordre”. Nankatoavin’ny IBM io ary naparitany amin’ny tontolon’ny mpampiasa informatika miteny frantsay.

4. Fehiny Azo ampiasaina daholo ny paika anankiroa arakaraka ny voanteny loharano sy ny zava-misy amin’ny vanim-potoana iray, izany anefa dia tsy misy fitsipika hentitra hoe ity paika ity na izaroa. Ho an’ny ohatra nohadihadiantsika teto: fr ordinateur / eng computer dia tsy misy maha ratsy ilay paika voalohany raha mahafeno ny fepetra takina amin’io tranga io ilay teny noforonina: tsy mahafeno izany anefa ny teny hoe “solosaina” noho ny antony efa voalaza. Ilay paika faharoa dia mailaka kokoa sady ahafahana mamorona sampan-teny iray na maro: ity no tena manavaka azy ary midika ho tombontsoa lehibe. Azo isafidianana izany ireto: fr ordinateur: mlg ordinatera eng computer: mlg kompiotera / kompiutera

Raha ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny mpampiasa informatika miteny malagasy dia ny fiaviana teny frantsay aloha no hita sy heno ; ilay fiaviana anglisy tsy mahazatra firy. Noho izany, ilay fiaviana frantsay izany no aroso eto, nogasiana ny fanoratra ary ny fanonona dia amin’ny feo sy gadona malagasy: fr ordinateur: mlg ordinatera.

Nosoratan’i Solonavalona Andriamihaja

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *