Tag: fiteny

  • Fomba fandraisan’anjara dimy amin’i Wikibolana

    Ity lahatsoratra ity dia dikanteny amin’ny teny malagasin’ny lahatsoratra nosoratako tamin’ny teny anglisy vao andro vitsivitsy izay.
    Mandray anjara tamin’i Wikibolana aho nanomboka tamin’ny taona 2010. Lasa fahazarana ilay izy: isam-bolana,isan-kerinandro, isan’andro, ary isa-maraina na isa-kariva, dia alefako ny mpitety tranonkala ijerena izay zavatra nitranga teo amin’i Wikibolana, ary mijery ny zavatra izay azoko atao mba hanampiana votoatiny be kokoa.
    Tsindraindray dia tena manam-piniavana ny hanampy fampahalalana iray amin’ny pejy maro aho ka mandany ora maromaro manoratra fandaharana hanampiana izany amin’ny fomba faran’izay haingana.
    Ary tsindraindray aho dia tena tsy tia handray anjara, ka mijery ny fiovana farany sy mijery ireo pejy izay mety nosimbaina aho, na mijery ireo pejy novain’ny mpikambana hafa.
    Na dia izany aza, dia betsaka ireo fomba fandraisana anjara ao amin’i Wikibolana. Dimy amin’ireo no ho atolotra eto:
    (1) Manoratra pejy amin’ny tanana. Zavatra mora indrindra atao na dia zavatra mahavizaka indrindra amin’ny voalaza aza. Manomboka nanoratra pejy amin’ny tanana (amin’ny alalan’ny fitendry) avokoa ny mpandray anjara rehetra, ary mety ho toa izay hatrany mandritra ny telopolo taona. Amin’ny 2045, dia ho lasa tola ny Wikipedia na i Wiktionary amin’ny endriny ankehitriny raha tsy efa manova ny votoatiny ho azy.
    Alohan’ny hitrangan’izany dia ho betsaka dia betsaka ny asa atao. Na dia izany aza, dia afaka mampitombo ny habetsaky ny asa vitanao ianao amin’ny alalan’ny fianarana manoratra fandaharana. Rehefa hay tokoa izay dia:
    (2) Manoratra fandaharana manoratra pejy izay mety ilaina ahitsy rehefa aty aoriana. Mora izany, ka niezaka tamin’izany aho nandritry ny telo taona. Rehefa mandeha ny fotoana dia betsaka ireo pejy voaforona, ka na dia kely aza ny taham-kadisoana dia lasa betsaka ireo pejy misy hadisoana. Ekena izany, fa betsaka noho izany ireo pejy tsy misy hadisoana. Rehefa ampiarahana amin’ny rakibolan-teny mitovy hevitra sy fahaiza-manodina teny voajanahary (Natural language processing) dia afaka mampamaritra teny tsy afaka dikaina amin’ny fiteny tanjona ianao.
    (3) Manoratra fandaharana mamaky gazety ahitana ireo teny sy pejy tsy misy. Rehefa feno ny rakibolana dia mihasarotra hatrany ny fahitana teny vaovao hoforonina. Mety tsy hanam-piniavana ny hamaky lahatsora-gazety am-polony ianao, ka manorata fandaharana hamaky azy ireo ho anao ary maka ireo teny tsy ampy ho anao. Rehefa vita izany dia manorata fandaharana mitady ireo teny nakambana rehefa ary hanampy azy ireo ao amin’i Wikibolana. Ny lenta eo ambonin’izany karazam-pandaharana izany dia mpitady teny mivantana mamaky fahan-tsoratra avy ao amin’i Twitter ohatra, ary mametraka ireo teny rehetra tsy mbola voafaritra ao amin’i Wikibolana amin’ny faran’ny andro.
    Zavatra iray ny mianartra manoratra fandaharana, fa zavatra roa samihafa ny fanampiana fampahalalana ary ny mahafantatra hoe fampahalalana inona no tsara ampiana. Rehefa mitsiry ny hevitra, na misy angona mikasika ny teny mahaliana eo am-pelantanana dia manorata fandaharana hametrahana ireo singam-pampahalalana ireo amin’i Wikibolana. Ataovy am-panajana ireo zom-pamorona izany.
    (4) Mitety rakibolana ary manampy teny tsy fahita matetika. Mahaliana anao ve ny etimôlôjia? Am-pianarana teny vaovao ve ianao? Misy ao amin’i Wikibolana ve ireo teny ireo? Aza misalasala fa ampio ireo teny ireo. Atao am-panajana zom-pamorona foana izany. Azo heverina hoe asan’ny tena ny fakana teny maro avy amin’ny rakibolana maromaro, fa aza mandikadika foana ny famaritan-teny. Nanao izany aho ary saika voatory noho ny fitarainan’ny tompon’asa. Raha havanana amin’ny haranitan-tsaina voatrolombelona (AI) sy fahaiza-manodina teny voajanahary ianao dia manorata fandaharana mandika fehezanteny.
    Mahery ny fandaharana. Betsaka ny fotoana ilaina amin’ny fanoratana fandaharana tsara, ka tsy vonona ny hianatra izany ny ankamaroan’ireo mpandray anjara, ka inna ny atao?
    (5) Manorata amin’ny Wikibolana amin’ny teny nibeazanao. Raha atokantsika ny teny angisy dia soratana anaty fiteny 170 ny Wikibolana. Betsaka amin’ireo no manam-pejy latsaky ny iray hetsy. Vokatry ny finiavako ny hamorona ny rakibolana lehibe indrindra amin’ny teny malagasy ny haben’i Wikibolana malagasy amin’izao fotoana. Raha tsy teny anglisy no eny nibeazanao, dia mianara teny vahiny ary ampio ny teny ampiasainy, na ao amin’ny Wikibolana na aiza na aiza. Raha tsy mahaliana ana ny fianarana teny vahiny dia ampio ireo tenin-jatovo tsy mbola hita amin’ny teny nibeazanao.

  • Ny ho avin’ny teny malagasy

    Amin’izao fotoana izao dia ohatry ny maro ireo mpiteny malagasy kivy ratsy amin’ny fomba fanoratan’ny sasany ny tenin-drazany eo amin’ny Aterineto. Na aiza na aiza aho mamaky dia mahita olona mitaraina mikasika ny tsipelina foana aho, na amin’ny teny anglisy, na amin’ny teny frantsay, na amin’ny teny malagasy. Inona ny nahatonga izany?
    Voalohany indrindra aloha, dia mba aoka aho hanolotra ny tenako (ho an’izay tsy mahay miteny anglisy). Izaho dia mpianatra amin’ny fianarana ho injeniera amin’ny kajimirindra (informatika). Roapolo taona mahery aho, olom-pirenena malagasy, monina eto Frantsa, ary mpandray anjara eo amin’ny tetikasa Wikimedia amin’ny teny malagasy. Amin’ny maha-teknisianina ahy, dia misy fanazavana voalohany amin’io tsipelina tsy manajahaja ny fiteny io.

    Ny ho avy?

    “Tsy haharitra mandrakariva ny fomba famaritana zavatra iray. Tsy haharitra mandrakariva ny anarana amaritana zavatra iray.” hoy i Laozi.
    Tsy diso izy. Efa hita fa samihafa amin’ny teny malagasy ankehitriny ny teny malagasy notenenina tamin’ny andron-dRadama. Ary azo inoana mafy fa ho samihafa amin’ny teny malagasy ankehitriny ny endriky ny teny malagasy afaka 200 taona. Mety hitranga arak’izany ny fahatsorana ara-boambolana ary ara-pitsipi-pitenenana : mety hanisa amin’ny fomba mahitsy (toa ny fiteny tandrefana, na ny fiteny sinoa) isika ; mety handrafitra abidy vaovao izay tsy misy fifandraisana amin’ny abidy efa mahazatra antsika isika. Mety hiova lalina ihany koa ny fomba fanononana, ary torak’izany ny fomba fanoratana.

    Fiantraikan'ny abidy malagasy
    Fiantraikan’ny abidy malagasy vaovao amin’ny tsipelin-teny (fiaviana : boky Lala sy Noro, avy eo amin’i http://hery.blaogy.com/post/4/8301)

    Ao amin’ny Akademia Malagasy izao dia efa misy ny resaka mikasika ny fanovana ny fomba fanoratana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny abidy vaovao (adihevitra nandraisako anjara teo amin’i serasera.org, tamin’ny anarana Tibao). Hisy taratasy hivoaka atsy ho atsy momba izany, ka raha mipetraka ao Antananarivo ianao dia mety hivoaka amin’ny robrika “kolontsaina” amin’ny gazety izany. Raha entin’ny finiavan’ny vahoaka miteny malagasy sy ny Fanjakana vonona ny hamerina ny fanagasiana izany dia mety ity no ho endriky ny andininy voalohan’ny Fanambarana Iraisam-pirenena ny Zon’olombelona :

    Andinini I : Nateraka hu afaka si hituvi ni ulumbeluna rehetra na eu amin’ny zu na eu amin’ny hasina. Sami manan-tsaina si fieritreretana ka tukuni hifampitundra am-pirahalahiana.

    Tsy hanova ny tsipelin’ny teny tsy misy ny litera “y” sy “o” sy “j” io abidy malagasy tadiavina ny hanolo ny abidy taloha io, satria hivadika “dz” ny “j” rehetra amin’ilay abidy. Torak’izany koa ny “y” hivadika “i” na aiza na aiza, ary ny “o” hivadika “u”. Mitovy amin’ny mahazatra ihany ny fanononana, fa ny fomba fanoratana ny teny fotsiny no ovaina kely.

    Efa miova ny fomba fanononana

    Tokony efa nahatsikaritra izany ianareo : inona ny mampiavaka ny teny tsidio ary tsidiho ? Tsy misy. Samy mitovy ny fomba fanononana ireo teny roa ireo, satria tsy tononina intsony ny /h/. Ity indray mbola misy hafa : inona ny mampiavaka ny teny may sy mahay ? Ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia tsy misy. Fa ho an’ny olona sasany, dia misy ilay izy, na dia kely fotsiny aza. Ohatra fahatelo : iza no tena marina: mande sa mandeha? Raha “mande” no voafidinao dia diso ianao, na dia /mande/ aza no fanononantsika ilay teny “mandeha” ankehitriny. Ny fanovana kelikely ohatr’izany no mahatonga ny teny mivoatra. Ary mety ho tian’ny olona izany, na mety tsy ho tiany ihany koa.

    Fanatontoloana ary ny fiantraikany amin’ny tenin-drazana

    Manana ny fiantraikany ihany ka ny fanatontolona amin’ny teny malagasy. Ny mahatonga ny tanora ohatra anay miteny vary amin’anana amin’izao fotoana izao dia anisan’ny vokatr’io Fanatontolona io ; manomboka avy any amin’ny fara tampon’ny Fanjakana ny ohatra, ka haninona ny mponina no tsy hanaraka?
    Raha amiko manokana dia fahadisoana lehibe ny famelàna ny teny frantsay ho anisan’ny teny ofisialin’i Madagasikara tamin’ny fandrafetana ny Lalam-panorenan’ny Repoblika fahaefatra. Tsy tanteraka ny fiovàna lehibe nampanantenain’ireo mpitondra, ka mbola hahazo alalana ofisialy ny “hiteny vary amin’anana” foana ireo mpiasam-panjakana sy ireo manam-pahefana izay ekena fa miezaka ny mampiasa teny malagasy madio amin’ny kabary sy tatitra ofisialy. Tsy vao androany no misy an’izany, ary efa nitranga 15 taona lasa izany arak’ity kabary manaraka ity :

    “Ni-inviter anareo Tantsaha iray génération amiko aho, mba hiara mi-étudier ity projet de développement nanaovako étude plus ou moins approfondie ity. Mi-concerner ny région-tsika mantsy izy io, ka tokony hi-sensibiliser-na antsika masse paysanne amin”izao période de décollage économique izao.
    Ny cohésion sy ny participation de tout un chacun anefa no tena primordiale amin”izany, ka tsy ny élites sy ny intellects ihany no ho décideurs sy piliers amin”ny réalisation sy ny exécution-ny, fa ny population active sy isika izay avenir-n”ity tany ity. Raha tsy izany, tsy avotra izao situation déplorable sy catastrophique izao. Mila straté ;gie sy plan triennal bien au point anefa izany fa tsy azo atao au pif fotsiny.
    Izany no ni-convoquer-na antsika exprès amin”ity réunion de sensibilisation ity. Isika rehetra sans exception izany no samy hilaza izay point de vue-ny avy, vis-à-vis de ce projet. Tout au moins, izay mba suggestion na solution intermédiaire sy adéquate any an-tsainareo any.
    Misokatra àry izao ny débat sy ny discussion ka tout le monde peut prendre la parole. Merci !”
    — Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon’ny Vahoaka amin’ny Fampandrosoana  (25 Jona 1994)

    Kabary tena natao hanentana ny tantsaha teny ambanivohitra io kabary nodikaina an-tsoratra teo ambony io tamin’ny 1994, ka mazava ho azy tsy nahateny inona na inona izy ireo, izay tsy nahazo teny frantsay. Kanefa teny “frantsay” hatramin’ny teny famaranana no nampiasain’ilay tovolahy mpandaha-teny. Ka rehefa avy nangina sy nifampijerijery ny iray trano dia ity no nolazainy tamin’ireo tantsaha :

    “izao ihany ilay mampi-décevoir ny technicien aminareo, fa tsy capable hi-saisir ny occasion profitable sy favorable tahaka itony,” — Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon’ny Vahoaka amin’ny Fampandrosoana (25 Jona 1994)

    Mety hankarary ny sofin’ny sasany ny kabary tahaky ny teo ambony, ary mino aho fa tsy mety nanao kabary tamin’ny tantsaha intsony ilay rangaha diso fanantenana tamin’iny tsifahombiazana iny. Vao nivoaka tamin’ny fangasiana  ny Malagasy tamin’izany fotoana izany, ka naverina ho teny frantsay indray ny teny enti-mampianatra. Na dia izany aza, dia azo lazaina fa diso kajy ihany ilay mpandaha-teny satria dia noheveriny fa nahay teny frantsay hoatr’azy daholo ny iray trano.
    Amin’izao Fanatontoloana vokatry ny Aterineto ary ny fifanakalozan-kevitra iraisam-pirenena izay atao amin’ny teny anglisy izao, dia manomboka miditra ao amin’ny teny malagasy (indray) ny teny anglisy. Saika tsy misy fanagasiana ohatry ny tamin’ny taloha fa tonga dia miditra manta tsotra izao : crowdsourcingcloud computingoutsourcingmanager, sns.

    Lamaody vaovao

    Hoy ny sasany : “Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”. Teny malagasy ihany no misy ao Madagasikara, ka raha manomboka miteny vahiny ianao dia ohatry ny lazaina hoe manam-pahaizana be. Zava-dehibe amintsika malagasy ny fahaizana, ka izany no mahatonga ny lamaodin’ny sasany “miteny vary amin’anana”. Azo lazaina fa tafaverina tsikelikely amin’ny fampiasana teny malagasy madio indray isika malagasy amin’izao fotoana izao, na dia mbola tsy ampy tsara aza ny ezaka. 
    Inona ny hevitrareo mpamaky mikasika ny ho avin’ny teny malagasy?

  • Dikanteny anglisy-malagasy

    Rehefa avy namboatra diksionera aho dia lasa namorona mpandika teny iray.
    Io mpandika teny io dia mandika ny teny anglisy amin’ny teny Malagasy nosoratana amin’ny alalan’i PHP izay mampiasa fisie *.txt ho an’ny rakibolana ary ny parser.
    Efa ora maromaro izay no laniko nanamboarana io mpandika teny io, efa vita hatry ny ela ny dingana voalohany (izany hoe dikanteny mot-à-mot), kanefa tsy dia maha-afa-po loatra ny fehezanteny avoakany amin’ny teny malagasy. Manomboka manaketrika ny dingana faharoa aho kanefa mbola tsy maha-afa-po foana ny valiny. Ity misy ohatra iray:

    I am to speak of the American Vandal this evening, but I wish to say in advance that I do not use this term in derision or apply it as a reproach, but I use it because it is convenient; and duly and properly modified, it best describes the roving, independent, free-and-easy character of that class of traveling Americans who are not elaborately educated, cultivated, and refined, and gilded and filigreed with the ineffable graces of the first society. The best class of our countrymen who go abroad keep us well posted about their doings in foreign lands, but their brethren vandals cannot sing their own praises or publish their adventures. (avy amin’i The American Vandal Abroad nosoratan’i Mark Twain)

    nodikain’ilay mpandika teny :

    izaho manafatrafatra amin’ny ny ny amerikanina firintsy ity hariva izaho anefa faniriana hono amin’ny amy dingina izaho ilay tsy akory manao mampiasa term ity derision amy na mampihatra toy azy fananarana izaho anefa mampiasa fa azy azy manavanana ary duly ary properly modified faratampony azy describes ny dia mahaleotena free-and-easy fomba ny ilay class ny traveling American izay tsy akory elaborately avara-pianarana cultivated ary Showing or having good feelings or good taste. ary Endrika efa lasa an’ny matoanteny gild ary Having filigree ornamentation miaraka miaraka amy ny ineffable graces ny ny aloha fikambanana . faratampony ny ny class -ay andao izay mibodo andafy fantsakàna us mikasika posted doings their vahiny amy lands, their anefa vandals brethren manara-bava cannot manana their na praises their publish sendrasendra

    Raha jerena ny resaka fitsipi-pitenenana ary ny filahatry ny teny ao anatin’ny fehezanteny, dia mbola lavitry ny afo ny kitay. Efa misimisy ihany anefa ny ezaka amin’ny famadihana ny toeran’ny mpamari-toerana ary ny anarana iombonana, araka ny hitantsika anatin’ity fehezanteny ity: “that beautiful woman is my wife” (vadiko ilay vehivavy mahafinaritra iny) izay nodikainy hoe “ity vehivavy mahafinaritra -ko andefimandry”.
    Ilaina fantarina ihany koa fa dikanteny iray ihany no fidian’ilay mpandika teny ao amin’ny rakibolana. Ka arak’izany izy io tsy miraharaha ny polisemia ananan’ny teny. Ny olana faharoa amin’ny fampiasana fisie dia ny filàna manokatra azy isaky ny dikan-teny, ka rehefa mahery ny 2 megaoktety ny totalin’ny haben’ny fisie rehetra sokafana dia miteraka hadisoana ilay dikanteny, izay manakana azy hanao ilay dikanteny eo amin’ny efa-joro. Ka ny fameetrahana banky angona no mety hahavaha izany olana izany.

  • Kriollatino, fiteny noforonina : toko voalohany

    Tsy vao androany akory io hevitra io fa efa hatry ny ela no ketrehina tato an-doha : ny famoronana teny vaovao iray. Amiko manokana aloha io fiteny noforonina izay mitondra ny anarana “Kriollatino” io dia tsy natao ho fiteny iraisam-pirenena mora ianarana, na dia anisan’ny iriako ho an’ny fiteny noforoniko aza izany. Ny tena antony namoronana io fiteny Kriollatino io dia fiteny natao ho teny ofisialin’ny firenena iray lehibe izay ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika. Izay firenena izay moa dia noforonina ihany koa mazava ho azy.Efa ho dimy taona any ho any izay ny vangovangon-drakibolana voalohany natao ho an’io teny io ; Kriollatino anaran’ilay fiteny tamin’izany fotoana izany : fiteny somary mitovy amin’ny teny espaniola fa manana ny maha-izy azy manokana, ary mbola sarotra ianarana nohon’ny teny espaniola ilay izy, ka noho izaho tsy manam-potoana ny hamehy azy ary mameno ny rakibolany, nadaboko ilay hevitra ary lasa nivily tany amin’ny zavatra hafa.

    Na dia izany aza, dia tsy nadaboka tanteraka ilay hevitra : notsòriko hatrany ny fitsipi-pitenenana mikasika ny matoanteny (fanafoanana ireo matoanteny tsy manara-pitsipika) , ny anarana iombonana (fanaovana ny anarana ho karazana tokana, ary isa roa), ary fanampiana tovona aman-tovana vaovao izay manome ny maha-izy azy manokana.

    Raha ny rakibolany no tena jerena dia hita fa sahala ny fiteny esperanto ilay fiteny. Anefa rehefa vakiana ny famaritana somary lava ary ny lahatsoratra lavalava voasoratra amin’ilay fiteny, dia hita fa samihafa tanteraka.

    Ankehitriny izao ny tenako mbola am-panoratana ny rakibolana ary ny fitsipi-pitenenana. Izay mbola tsy vita noho ny fiovan’ny endrik’ilay fiteny matetika, noho ny fipoiran’ny hevitra vaovao…

  • Fiteny noforonina : fiteny esperanto

    Esperanto?

    Mety efa nahenoheno ny fisian’ny teny esperanto ihany angamba ianareo… Ho an’izay tsy mbola naheno ny fiteny esperanto dia ity henoina, na ity vakio. Raha te hianatra ny zava-misy amin’ny fiteny esperanto koa ianao dia ity jerena. Raha te hijery ny vaovao amin’ny fiteny esperanto koa ianao dia ity vakiana.  Maro dia maro ireo Tranonkala hita amin’ny teny esperanto eo amin’ny aterineto, ary vao haingankaingana teo, afaka mandika amin’ny teny esperanto ny mpandika tenin’i Google Translate.

    Ny tena tanjon’ny teny esperanto moa dia ny fananana teny oniversaly izay tsy manana fiaviana ara-tantara, ary noho izany tsy manana fianjadiana firy eo amin’ny lafin’ny ara-kolontsain’izay olona mampiasa azy na amin’ny fiainana mandavanandro na amin’ny fifandraisana amin’ny vahiny. Tsy fiteny ary tsy natao ho fitenin’ny mponina/firenena iray ny fiteny esperanto toa ny fiteny frantsay, anglisy, espaniola, na sinoa fa natao ho fitenin’ny mponina rehetra ; ary notsorina ny fitsipi-pitenenana ary ny voambolana mba hanamora ny fianarana azy.

    Ny lafitsara ary ny olan’ny teny esperanto izay miseho ho fiteny oniversaly

    Ny lafitsara amin’ny fiteny esperanto ho fiteny iraisam-pirenena, dia izy io mora ianarana ary mora tononina tsy ohatry ny teny anglisy (miisa eo amin’ny zatonjatony eo ho eo ny fitsipi-pitenenana). Izy io koa amin’izay tsy mi-”favoriser” ny olona miteny anglisy, izany hoe tsy ny britisy na ny amerikana intsony no mahazo tsy mianatra teny vahiny. Fahatelo, mety tsy very vola amin’ny dikan-teny isan-karazany intsony ny fikambanana tsirairay (toa ny vondrona eoropeana izay mandany 0,3 miliara euro amin’ny dikanteny).

    Tokana ihany ny fihavian’ny voambolona fotony : ny 90%-n’ny voambolana sy ny fototeny dia avy amin’ny teny indo-eoropeana daholo. Amiko ilay teny oniversaly dia lasa eoropeanina loatra! Misy fanazavana kely ihany izany, satria tamin’ny fotoan’i Zamenhof, manjakazaka eran-tany ny eoropeanina (Afrika, Amerika, India, Indonezia, Oseania…), ka mety nihevitra izy fa haharitra izany (ary marina tokoa izy !).

    Mora ianarana ve ?

    Ka raha izaho, olom-pirenena malagasy tsy nahalala afatsy teny malagasy, no mianatra esperanto, hahateny esperanto ve izaho afaka 100 ora nianarana esperanto ? Ataoko hoe eo amin’ny 5-800 ora eo ho eo angamba no ilaiko hahafahako miteny esperanto tsara tsy misy fisalasalana. Efa kely izany raha oharina amin’ny teny frantsay, izay, na dia afaka telo taona nianara azy aza, mbola diso foana ny fampiasana ny mpanompo andehilahy/ambehivavy… Tsy lazaina intsony ilay fahasamihafana ara-tsoratra fa tsy ara-panononana ny ces, ses, c’est, sait ! Ka raha mila misafidy amin’ireo teny roa ireo aho (esperanto, frantsay), dia aleoko marina teny esperanto.

    Be mpiteny ve ?

    Tsy misy statistika tena ofisialy mikasika ireo olona miteny esperanto. Fa lazaina fa any amin’ny roa ka hatramin’ny 10 tapitrisa any ho any ny isan’ny olona miteny esperanto. Iray na roa alina amin’ireo folo tapitrisa ireo monja no afaka miteny azy tsara ho mira-lenta amin’ny teny nibeazany. Ampahazaton’ireo mpiteny esperanto tsara ireo no nibe tamin’ny teny esperanto (izay antsoinjareo koa hoe denaska parolanto)

    Ary ianareo mamaky ?

    Mba efa nanandrana nianatra ny fiteny esperanto ve ianareo ? Raha eny dia ahoana no ahitanareo ny fahasarotany, raha tsia kosa, dia ahoana ny ahitanareo ny endriny avy ety ivelany : hitanareo eorosantrista ve ilay fiteny ?